Kolontsaina maroloko : hiverina indray ny “Festival Miaraka”

Hisy indray ny hetsika anisan’ny manana ny maha izy azy, ahafahan’ny mpahay kanto sy mpandala kolontsaina samihafa miara-maneho ny kantony sy ny kolontsaina amina fotoana iray. Tafaverina ny hetsika rehefa tsy nisy tao anatin’ny fotoana vitsy, tokony hisiany.

Hotontosaina ny 3 ha­tramin’ny 8 avrily 2023, eny amin’ny Alliance Française Andava­mam­ba ny hetsika lehibe “Miaraka”. Miditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika amin’ity taona ity. Hetsika karakarain’ny Compagnie Lovatiana, izay miara-miasa amin’ny AFT Andavamamba amin’ity andiany ity. Haikan­to sy kolontsaina maro samihafa no hita mandritra ny hetsika. Tanjona ny fampiraisana sy fampiroboroboana ireo kolontsaina samihafa .
Telo andro ny fankalazana ny “Festival Inclusif Plu­ridisciplinaire Miaraka” andiany fahatelo. Famelabe­laran-kevitra, fandefasana horonantsary fanadihadiana, fampisehoana kolontsaina maro loko. Ireo no hita mandritra izany. Araka ny anaran’ity hetsika lehibe ity, hita miaraka ao avokoa ny kolon­tsaina malagasy sy vahiny. Eo ihany koa ny karazana fifaninanana malagasy sy vahiny. Anisan’izany ny filatroana, ny Slam, ny Parkour, ny dihy sy ny mozika. Hisy ny famelabelaran-kevitra iarahana amin’ny jeneraly Ramakavelo Désiré. Loha­hevitra velabelarina amin’izany ny “Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana”. Eo ihany koa ny horonantsary fanadihadiana maneho ny fiainan’ny vehivavy manana fahasembanana.
Miezaka hatrany ny Compagnie Lovasoa, mpikarakara ny “Festival Miara­ka”, manatsara ny hetsika. Maro ny antso efa nataon’izy ireo tamin’ny taranja maro izay misy eto Madagasikara saingy ireo no namaly ny antsono. Vonona anefa ny mpikarakara hanao izay ha­hatsara ity andiany fahatelo ity, amin’ny alalan’ireo karazana kolontsaina samihafa ireo.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: