Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitady hifangaro be ihany ny asan’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika sasany. Aiza ho aiza? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily mpisehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Andrimaso, Rahantasoa Florence: “Fanabeazana sy fanentanana ary fanaraha-maso ho an’izay misehatra amin’ny fifidianana, ohatra, no anjara asan’ny firaisamonina sivily fa tsy fanaovana politika.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny zotram-pifidianana amin’izao?
Rahantasoa Florence (-) : Miharesy lahatra ny olom-pirenena… Tamin’ny fanombohana, oktobra 2022, mbola narisarisa ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nanao ny anjara asany ny Ceni, ary nidina ifotony ny tomponandraikitra. Nisy ny fiarahana tamin’ny firaisamonina sivily tamin’ny fanentanana sy fanazavana amin’ny vahoaka fa zo sy adidy ny fisoratana anarana amin’ny lisitra. Ankehitriny, hita fa misy vokany izay. Izay koa no nanentanan’ny Ceni ny biraom-pokontany hisokatra ny sabotsy sy alahady. Somary sakana izay teo aloha, fa efa misokatra izany amin’izao.
Efa manao ny ezaka rehetra ny Ceni ny amin’ny zotram-pifidianana, misokatra na ho an’ny firaisamonina sivily na antoko politika. Ho an’ny firaisamonina sivily, misy ny fihaonana amin’ny fifanaovana tatitra. Amin’izao, hisy koa ny fakan-kevitra sy fifanakalozan-kevitra hataon’ny Ceni amin’ny 24 marsa ho avy izao. Heverina fa mbola anisan’ny fanamafisana ny tanjona amin’ny fifidianana hoe eken’ny rehetra izany. Na eo aza izay, tsy manana fahefana hanova na hanitsy lalàna ny Ceni. Fa fanatsarana no atao amin’ny fanatrarana ny hoe fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra.
* Ahoana ny hoe fisian’ny hoe firaisamonina sivily lasa manao politika na miaraka amina antoko?
– Misy ny lalàna mamaritra ny hoe firaisamonina sivily. Raha miroso amin’ny fanaovana politika izy, tsy tokony hitonona ho firaisamonina sivily intsony. Izay no anaovana antso avo izay diso lalana, fa ny fanabeazana sy fanentanana ary fanaraha-maso ho an’izay misehatra amin’ny fifidianana, ohatra, no anjara asantsika fa tsy fanaovana politika. Eo koa ny fanaovana fanairana amin’ny asan’ny fitondram-panjakana. Tokony hiara-miasa izany ny firaisamonina sivily rehetra hahazoana manatratra ny tanjona: fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra. Mila apetraky ny antoko politika mazava kosa ny fangaraharana: iza avy ireo firaisamonina sivily hoe miara-miasa aminy?
* Ahoana ny amin’ny fanahiana krizy aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana?
– Efa lasa fitaizana ratsy ataon’ny antoko politika sasany izay. Nefa hita amin’izao ny fahavononan’ny olom-pirenena hiatrika fifidianana, matoa misoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izy. Vonona izahay ny amin’izay tsy hisian’izay korontana politika izay, satria izay no anisan’ny anjara andraikitry ny firaisamonina sivily. Manantena koa izahay fa hendry ny vahoaka malagasy, ka hiroso amim-pilaminana amin’ny fanatanterahana fifidianana.
Koa manentana hatrany ny olom-pirenena hisoratra anarana eny amin’ny biraom-pokontany izay tsy mbola nisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Mbola ao anatin’izany tanteraka isika hatramin’ny 31 mey. Misy mieritreritra hoe efa voasoratra anarana isaky ny fanavaozana isan-taona teo aloha, fa fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana no atao amin’izao.
Nangonin’i R. Nd.