Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Razara Pierre Fidel tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja” – MM”, omaly manoloana ireo faty olona marobe, vokatry ny faharendrehan’ny sambo, tany Ankazomborona. Notsiahiviny sy nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa ho voasazy ireo tompon’antoka amin’iny raharaha iny. Nahitsy anefa i Del kely nilaza fa tsy mbola naheno ka nisy fanadihadiana natao amin’ireo loza an-dranomasina nifanesy teto. “Iandrasana anao izany ramatoa minisitra. Efa nisy niakatra fitsarana sy naiditra am-ponja teo aloha fa afaka avokoa. Tsy nisy voaroaka ireo mpiasa’ny APMF tamin’ireny fa afindra toerana fotsiny ihany”, hoy izy. Hentitra ity depiote ity niteny fa tompon’ny fahadisoana voalohany amin’ny tahaka izao ny APMF, tsy nanao ny asany ara-dalàna. Manana sampana io antokon-draharaha io. Hain’izy ireo io raharaha io fa odiany fanina. Nambarany koa fa tsy afa-bela ny mpitandro filaminana, miandry sisintany. “Maherin’ny 50 ireo mandeha hiala eto nefa tsy misy mahalala. Tsy marina izany fa minia manampin-tsofina ireo tompon’andraikitra, manomboka eo an-toerana sy ny manodidina… Tsy misy tafaporitsaka izany raha mandray andraikitra isika”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa efa fantatra mialoha, roa andro ny fiaingana ary na ny saran-dalana aza efa hain’ny rehetra… “Araho io raharaha io fa maty ihany izay maty…”, hoy izy.
Norahonana ireo mpitsara eo anivon’ny Pac
Namatrampatratra koa i “Del kely”, momba ny ben’ny Tanànan’i Vavatenina. Notsiahiviny fa nafahana ity vehivavy mpitantana kaominina ity na efa niaiky fa nanao ny tsy mety tamin’ny fitantanana nataony. Nahagaga ny depiote Razara Pierre anefa, fa ilay rafi-pitsarana nanagadra indray no norahonana fa hoesorina daholo ireo mpitsara eo anivon’ny Pac. Efa tapitra ny fe-potoam-piasana sns. “Mila miala fa manelingelina ny minisiteran’ny Fitsarana ? Hiady amin’ny kolikoly anefa ny fanambin’io minisitra vaovao io”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa nadoboky ny Pac tany am-ponja io ben’ny Tanàna io ary tsy nahazo fahafahana vonjimaika na efa nangataka izany aza. “Noafahana vetivety eo ary haingana be mihitsy anefa izy ireo. Ben’ny Tanàna iray izany natakalo ny mpiasan’ny Pac. Hiady amin’ny kolikoly anefa isika”, hoy izy.
Synèse R.