Raharinirina Baomiavotse : « Miasa ho an’ny mpiray taninjakana aho amin’ny maha teknisianina»

Miasa avy hatrany ! taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny talen’ny kabinetra sivilin’ny Fiadidian’ny Repoblika, omaly. Efa am-perinasa amin’ny andraikitra nankinina amin’izy ireo na ny nametra-pialana, Ramatoa Raharinirina Baomiavotse, na ny vao notendrena ramatoa Andrianarisoa Romy. Tsia­hivina, fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy maintsy nametraka ny taratasy fialany iry voalohany. Tsy nahafahany namita ny iraka, nandrasana taminy izany. Nisy fotoana maharitraritra, tsy maintsy nanajanona ny asa nahafahana nitsabo tena teto an-toerana sy tany ivelany. «  Misy fotoana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra sarotsarotra, kanefa noho ny fametrahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, aleo mampita ny fanilo amin’izay heverin’ny Filoham-pirenena fa afaka hamita azy », hoy ny talen’ny kabinetra teo aloha, Raha­rinirina Baomiavotse. Noha­ma­fisiny fa tsy maintsy hiasa misimisy kokoa ho an’ny taninjakana izy, izay rahateo no mbola hanohizany ny asa maha mpanolotsaina manokana ny filohan’ny Repoblika azy, misahana ny lafiny toekarena sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina. « Anisan’ny vaindohan-draharaha rahateo ny fanohanana ny filoha Rajoelina Andry, amin’ny fanantanterahana hatrany ny politika sy ny Veli­rano napetrany, ka amin’io toerana io dia eo akaikiny foana izahay, mitondra ny anjara birikinay », hoy hatrany izy.
Mikasika ny tontolo politika, izay nahabe resaka, indrindra ny fampifadraisan’ny olona ny fanambaran’ny filoham-boninahitry ny FIZAFAFI, Ramatoa Razanamahaso Christine sy ny fametrahany fialana dia nododosany izany. «  Tsy nisy nifandraisany velively ny fialako, fa olana ma­nokana ara-pahasala­mana », hoy izy.  Mbola nasiany tsindrim-peo ihany koa fa vehivavy teknisianina izy, ary tena mipetraka ho izay.

Randria

Partager sur: