Tontosa ny alarobia 15 marsa 2023, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny hetsika “Sokaf’hehy”. Ny vondrona Sandix no mikarakara ny hetsika miaraka amin’ny mpanao Stand-up. Eo ihany koa ny CGM, izay miara-misalahy amin’ny rehetra ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fitaizana ny tanora. Tanjon’ny mpikarakara ny hetsika, amin’ny ankapobeny ny fitaizana ny tanora. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny Stand-up eto Madagasikara. Ity karazana hatsikana ity izay vao manomboka maka toerana eto an-toerana.
Mitohy hatrany ny ezaky ny mpikarakara amin’ny fampiroboroboana ny Stand-up eto Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo. Ho an’ny hetsika “Sokaf’hehy”, teny amin’ny CGM Analakely , omaly, voatazona ny fahavitrihan’ny mpandray anjara sy ny mpijery. “Hita ho efa manomboka tafiditra tsikelikely ao anatin’ny mpankafy ny Stand-up. Tsapa ihany koa ny efa fiakaran’ny lentan’ny fahaizan’ny mpandray anjara ity karazana hatsikana ity”, hoy ny mpikarakara.
Lin(Mpianatra asa)