Maro ny hetsi-pahatsiarovana ny tolom-panafahana amin’ity taona ity. Mba hameloma-maso ny tantara sy hampitana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny taranaka rehetra.
Fahatsiarovana ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana. Hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana ataon’ny Fitaleavan’ny mpiady tia Tanindrazana (DCN) eto amin’ny Nosy amin’ity taona ity. Hankalazaina manerana ny faritra telo eto amin’ny Nosy ny ivon’ny fankalazana. Eny amin’ny fasan’ny mahery fo etsy Mausolée sy ao Moramanga ary ao Manakara. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny zaridainan’Anosy izany ny 22 marsa izao. Hampirantiana eny Anosy ny momba ny tolona rehetra nisy hatramin’ny 28 marsa izao. Hisy ihany koa ny fampirantiana eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa miisa 6, toy ny Lycée Fenoarivo, Sabotsy Namehana, Ambohimanga, Ambohidratrimo, Andralanitra ary Andoharanofotsy. Tanjona ny hamelo-maso ny tantara sy hampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan’ireo mpitolona tamin’izany ho an’ny taranaka aty aoriana.
Tsiahivina fa niresaka tamin’ny mpanao gazety izy ireo, omaly. Nampahafantatra ireo endriky ny fanamarihana rehetra ireo. Nitarika ity valandresaka ity ny Jly Deramasinjaka Manantsoa, Directeur général des organismes de Défense eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Efa miofana etsy Analakely amin’izao fotoana izao izy ireo.
Mino (mpianatra asa)