Tontolo iainana : efa hatramin’ny andron’ny fahampanjaka ny fiarovana ny ala

Efa tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) no nampiharina voalohany teto Madagasikara ny poilitika momba ny fitantanana ny ala, indrindra ny fandrarana ny afo.Tsy mitsahatra mitatitra vaovao momba izany ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainana (AJE).

Tsy azo ataotao foana ny fikapana ala toy ny hanaovana trano, ary tsy karazan-kazo rehetra akory. Efa voasokajy ho fananam-pirenena ny hazo ta­min’izany. Ny mpanjaka Ranavalona II (1829-1883) namoaka lalàna tamin’ny 1881 momba ny fiarovana ny ala ary manasazy mafy izay mandika izany, saingy ny
lalàna tsy nahafahana niaro loatra ny ala tamin’ireo manodidina.
Rehefa tonga ny fanjahantany Frantsay, napetraka ny sampandraharaha misahana ny ala tamin’ny 1827, nahitana andininy maro momba ny fitrandrahana hazo, anisan’izany fampiasana ny hazo fandrehitra. Nohamafisina ara-panjakana ny didy tamin’ny 1930, nefa tsy nisy afa-tsy 80 olona no niasa tamin’ny sampandraharahan’ny ala.
Na teo aza ny lalàna ta­min’izany fotoana, efa nahatratra 200 000 ha isan-taona ny rava teto Madagasikara. Noho izany nanomboka 1927 nisy 6 ny faritra arovana, raha atambatra 373 000 ha. Vaovao izany politika izany ary nandrara ny mponina manodidina hampiasa ala fotsiny. Teo ny ONE (1) sy ny ANGAP (2), fikambanana roa miaro ny lalàna.

Nanomboka ny fambolen-kazo ny 1970
Ny taona 1970, nanomboka ny fambolen-kazo, saingy nihena ny tetibola 20 taona manaraka taty aoriana. Teraka ny fandaharanasa momba ny tontolo iainana na PAE (3) nataon’ny governemanta ta­min’ny 1990. Nisy tamin’izany polisin’ala, saingy tsy nahovoka firy na efa nanjaka ny kolikoly ; napetraka ny dina teo amin’ny samy fokonolona tamin’ny 1995 momba ny fiarovana ny ala hatrany.
Taona maro tato ho ato mandeha ny fanondranana antsokoso ny hazo sarobidy, indrindra ny Andramena (bois de rose), varongy, hazo manara. Aondrana manerana izao tontolo izao ireo hazo ireo, araka ny tatitra nataon’ny Traffic.
Na amin’ny faritra arovana aza
Na any amin’ny faritra arovana aza, voakapa dia amidy any ivelany ireo ka­razan-kazo ireo. Araka ny voa­lazan’ny Traffic ihany, nisy 350 000 ny hazo voazera ary tsy latsaky ny 150 000 t naondrana any ivelany, ny faramparan’ny taona 90 ha­tramin’ny 2009. Ary miha mitombo hatrany izany fikapana hazo sarobidy sy fanondranana antsokosoko aty aoriana.
Miady amin’izany, ma­matsy vola ny vahiny amerikanina, Usaid, sady miaro ireo karazam-biby tsy hita raha tsy eto Madagasikara, toy ny sokatra, ny gidro… Iaraha-miasa amin’ny Traffic, Trans­parency International-Ini­tiative Madagascar (TI-MG) sy Alliance Voahary Gasy izany, eo ambany fitarihan’ny WWF. Miara-miasa koa io tambanjotra io amin’ny go­vernemanta, firaisamonina sivily, fikambanana miady amin’ny kolikoly ho fiarovana ny harem-pirenena ho an’ny taranaka ho avy.
Nanomboka 2021, nampidirina ho isan’ny taranjam-piofanana ao amin’ny ENMG (4) ny ady atao amin’ny kolikoly ireo harena voajanahary. Mbola betsaka anefa ny tranga amin’izany fanondranana antsokosoko ireo biby sy hazo sarobidy ireo amin’izao fotoana izao.

Ndrina

ONE (1) : Office National pour l’Environnement
ANGAP (2) : Association Nationale pour la Gestion des Aires Protégées
PAE (3) : Plan d’action environnemental
ENMG(4): École Natio­nale de la Magistrature et des Greffes

Partager sur: