Tsy afa-bela, nidoboka am-ponja afakomaly, ireo telo lahy voasaringotra ho nandray anjara tamin’ny vono olona tao Sambava, ny 9 marsa lasa teo. Lehilahy iray no nifampidaroka tamin’ny namany vokatry ny fifamaliana. Nisy lehilahy iray nahita io ady io saingy nanampy ny iray nidaroka ity farany. Vokany, naratra mafy ny lehilahy iray. Noho io fahavoazany io, niezaka nanavotra azy ireo manodidina. Tsy tana anefa ny an’io naratra mafy io. Nitory noho ny fahafatesan’ny havany ny fianakavian’ity farany. Olona telo voasambotra. Natao famotorana, nandray anjara tamin’ny famonoana ny roa. Tompon’ny toerana nitrangan’ny ady kosa ny iray hafa. Notanana am-ponja vonjimaika avokoa izy telo ireo.
Tsiferana R.