100 andro ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy : 18 ireo orinasa, fikambanana nandray andraikitra amin’ny sehatrasa telo

Rehefa tsy mianatra ny ankizivavy, 15 ka hatramin’ny 30 miliara dolara ny tetibidin’ny fahavoazana maneran-tany satria tsy afa-namokatra nampandroso ny toekaren’ny fire­nena izy ireo.

Nifarana omaly ny 100 andro hanaovana asa ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy malagasy, na­tomboka ny 25 novambra teny Ankorondrano. Seha­trasa telo no hisafidianan’ny fikambanana na fiarahamonina sivily na orinasa na olon-tsotra hitondrana tohana ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy. Fanabeazana, fahazoana asa mendrika ary ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy no nilana fandraisana andraikitra tao anatin’ny 100 andro. Hetsika niarahan’ny filohan’ ny fikambanana Fitia, Rajoe­lina Mialy sy ny solontenan’ ny Banky iraisam-pirenena, Marie Chantal Uwanyiligira. 18 ny fikambanana sy orinasa namaly ny antso ka nandray andraikitra tao anatin’ny telo volana ary mbola hi­tohy.
Hetsika niavaka no na­taon’ny filohan’ny fikambanana Fitia, nanofana vehivavy 460 avy amin’ny faritra 23 teto Antananarivo. Nahandro sy fanamboarana mofomamy no niofanana, mbola vehi­vavy ihany fa tantsaha 43 indray no nofanina momba ny fampiasana teknikam-pambolena ahazoana vokatra betsaka amin’ny velarana misy eo am-pelatanana. No­tolorana “kit de démarrage” izy ireo ahafahany mampihatra ny lesona nifampiza­rana. “Rehefa mianatra ny ankizivavy, mahaleo tena izy rehefa lehibe ary afaka mi­safidy asa hahafahany mivelatra sy mampidi-bola”, hoy Rajoelina Mialy. Miantso ny ray aman-dreny handefa ny zanany vavy any an-dakilasy ny tenany.

Tetikasan’ny Banky iraisam-pirenena

Manana andraikitra ha­natsara ny fanabeazana ny zazavavy koa ny Banky iraisam-pirenena ka nametraka tetikasa aty Afrika hampa­haleo tena ny vehivavy sy hanamafy ny fahaizan’ny tovovavy miatrika ny lafim-piainana rehetra. Hiantefa amin’ireo firenena aty Afrika Atsinanana ny tetikasa ka tafiditra ao i Madagasikara. Hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Gem) ary ny minisitera voa­kasiky ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehi­vavy.

Vonjy A.

Bado avokoa ny iray ampahatelon’ny vehivavy malagasy, vehivavy iray amin’ny 10 ihany no manana asa anatin’ny sehatra manara-drafitra. Tovovavy iray amin’ny roa no manam-bady mialoha ny faha-18 taonany ary tafiditra amin’ny firenena 20 manana taha ambony amin’ny fanambadiana aloha loatra i Madagasikara.

Partager sur: