Nipoaka ny basy ny talata maraina teo, tao amina trano fandraisam-bahiny iray etsy Andravoahany ambony. Lehilahy teratany frantsay iray no hita faty tao amin’ny efitrano fatoriany tao an-toerana. Nikoropaka ny rehetra nahita ny vata-mangatsiakany. “Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina teo no nahazo antso ka tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy izahay”, hoy ny polisim-pirenena. Nambarany fa voatifitra teo amin’ny lohany ity teratany vahiny 77 taona ity, nahitana basy ihany koa teo akaikiny. Hatramin’izao, tsy mbola voafaritra ny antony nahatonga ny loza. Tsy hay ihany koa raha vono olona na famonoan-tena ity tranga ity saingy manao ny famotorana ny mpitandro filaminana. Ny alatsinainy teo ity teratany frantsay sady tompona hotely ity no niditra tao amin’ny efitranony. Tsy nihidy ihany koa ny varavarana fa nikatona fotsiny ihany, raha ny angom-baovao. Ny talata teo, nipoaka ny basy ka nanaitra ireo mponina tao amin’ny hotely sy ny manodidina. Vokany, nidodododo nijery izany ny rehetra sady niantso polisy ireo mpiasan’ity trano fandraisam-bahiny ity. Indrisy anefa fa nofo mangatsiaka no hita nitsirara teo ambony fandriana. Minitra vitsy taorian’io, tonga teny an-toerana ny BMH nitondra ny vata-mangatsiaka ho etsy amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Ny tolakandron’io kosa no naka izany teny an-toerana ireo tomponandraikitra mpikarakara fandevenana (pompe funèbre). Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Henintsoa Hani