Diplaomasia malagasy: tsy mamela mahazo i Rosia

Tsy mahasakana ny fitondrana rosianina hiara-miasa amin’i Madagasikara ny fivadibadihan-kevitry ny mpitondra momba ny ady any Ukraine. Mainka manamafy ny fifamatorana ny roa tonta.

Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Ma­dagasikara ny firenena rosianina. Manohy ny fitetezany ireo minisitera stratejika ny lehiben’ny masoivohony eto an-toerana, Andria­matoa
Andrey Andreev. Omaly, nihaona tamin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa izy. Nambarany tamin’izany fa : “Vonona ny hanohy ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay ny firenena rosianina. Efa 50 taona no niarahan’ny firenena malagasy niasa tamin’ny Rosianina, indrindra eo amin’ny lafiny ara-tafika sy teo amin’ny lafiny fampitaovana”. Ny firenena roa tonta, tsiahivina ihany, fa manana fifanarahana ara-miaramila roa samy hafa. Fifanekena izay mamatotra ny andaniny sy ny ankilany tsy ho afa-misaraka, ankoatra ny antony tsy azo anoharana. Nisy ny fifanarahana nataon’ny roa tonta ny taona 2018, nanao sonia iza­ny ny jeneraly Rasolo­fonirina Beni Xavier, minisitry ny Fiarovana tamin’izany fotoana. Voafaritra tamin’io ny ambangovangon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny tafika roa tonta.
Nohamafisin’ny jeneraly Rakotonirina Leon Richard, minisitra teo aloha, nodimbiasan’ny minisitra ankehitriny, ny 18 janoary 2022 tany Rosia izany. Ity fifanarahana ity izay nametraka mazava ny antsipirian’ny fiarahan’ny roa tonta, toy ny fampitaovana sy ny fampiofanana ny miaramila malagasy. Ankoatra izany, voarakitry ny fifanarahana ny tsy fahafahan’ny roa tonta mifamadika. Tsy maintsy teny ifampierana ny fanapahana ny fifanarahana. Ny volana marsa 2022, tokony ho nanomboka ny fampiharana ny votoatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa. Nihenahena teo izany noho ny fiovan’ny tontolon’ny jeopolitika maneran-tany.
Dinikasa

Ankoatra ny fiarahabana amin’ny nandraisan’ny minisitra ny toerana, niompana betsaka tamin’ny dinikasa hanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika amin’ny roa tonta ny fihaonana.
Nilaza ny jeneraly Rako­toa­rijaona Josoa, fa tsy miova ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta. Nambarany fa tsy araka ny vaovao miely. Nodinihina manokana ny fanatsarana sy fanohizana ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay.

Jean Claude

Nihaona tamin’ny masoivoho indianina, Bandaru Wilsonbabu koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena malagasy, omaly. Voaresaka ny lafiny fiarovana sy fandriampahalemana. Anisan’izany ny fiarovana ny sisin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny maha mpifanolo-borindrina an’i Madagasikara sy Inde ao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.

Partager sur: