Fanamboaran-dalana : atomboka eny amin’ny Agosthino Neto Isotry

Atomboka eny Isotry ny fanamboarana ny lalana simba rehetra eto Antananarivo ma­nomboka androany. Tapaka, noho izany, ny lalana Agos­thino Neto Isotry ka hatrany amin’ny Aigle noir. Tapaka tanteraka, araka izany, ny la­lana eo amin’io faritra io mandra-pahavitan’ny asa, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny tanànan’An­tana­narivo. Efa misy ny lamina napetraky ny tomponandraikitra ho an’ny fifamoivoizan’ireo fiara rehetra mihazo ny Havana sy ny 67 ha. Mivily sy manohy ny lalany mankany amin’ny Agosthino Neto, arret 30 ny fiara ka mandray ny lalana Boulevard Pierre Rajaonah eo amin’ny Vatobe ary mihazo ny tany malalaka. Entanina ny mpamily rehetra mba hanaja ny lamina apetraky ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra rehetra mandritra ny fanatanterahana ny asa.
Marihina fa tafiditra anatin’ny drafitra sy vina ary paikady napetraky ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly An­drianatrehana Ndriamihaja Liva, nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo izany. Nilaza izy fa atomboka ny fanaovana ny asa maika amin’ny fanamboaran-dalana re­hetra manerana ny Nosy.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: