Fanomanana ny fikaonandoham-pirenena: handray ny Ceni sy ny Pnud ary ireo ambasadaoro ny FFKM

Efa maka bahana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray, omaly fa hifanesy horaisin’ny eo anivon’ny birao foibe ao amin’ny FFKM ireo tomponandraikitra samihafa avy eto an-toerana sy avy amin’ny firenen-kafa.

Anisan’ny horaisin’izy ireo voalohany amin’izany anio, ny avy amin’ny Ceni. Hotanterahina etsy amin’ny foibe FJKM Am­pandrana, izany. Hitohy amin’ny fandraisan’izy ireo ny Pr Ranjeva Raymond izany ary arahin’ny mpandrindra maharitra ny rafitry ny Firenena mikambana (Pnud), Issa Sa­nogo avy eo. Ho avy eny an-toerana koa ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois, hamarana izany fihaonana izany. “Handray sy hifampidinika amin’izy ireo ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Izy ireo no nangataka izao fihaonana izao fa tsy ny FFKM akory”, hoy ny loharanom-baovao, hatrany. Tsy voafaritra kosa anefa ny ho tena votoatiny. Na izany aza, tombanana fa mety tsy hifanalavitra amin’ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny dinika rehetra. Efa an-dalam-panomanana izany rahateo ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fihaonambem-paritany eo anivon’ny fiangonana hatao ny faran’ity volana ity.

Fanambarana sy hafatra amin’ny 29 marsa

Andrasana, araka izany, ny ho fizotry ny fifampidinihana eo amin’ny FFKM sy ireo tomponandraikitra samihafa ireo.
Tsiahivina fa anisan’ny efa noraisin’ny filoham-piangonana ny avy amin’ny Vovonana “Lera” ary izao mbola mitohy izao izany. Tsy azo ihodivirana izany ny hamoahan’ny FFKM fanambarana sy hafatra, amin’ny fahatsiarovana ny 29 marsa, izao amin’ny fo­toam-pivavahana iraisam-pi­noana, itondrana am-bavaka ny firenena sy ireo nitolona ho an’ny tanindrazana.

Synèse R.

Partager sur: