FEPA andiany faha-14 : fanentanana ny olona ho matihanina amin’ny fiompiana

Hiditra amin’ny andiany faha-14 ny FEPA (1) ny 4-5-6-7 mey 2023 ao amin’ny MPE (2) Nanisana. Tranoheva 128 no haneho ny fahaiza-manaony isaky ny fiompiana sy ny tontolo misy azy. Hita amin’io fotoana io ny fiompiana trondro, akoho amam-borona, bitro, kisoa, sns, fa ao koa ny sehatry ny fambolena mifameno amin’ny fiompiana.
Anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ity tsenabe ity ny Biochem Group, izay nanambaran’ny talen’ny varotra, Andriamitantsoa Félicien, fa nandritra izay valo taona niarahana izay, manolotra ny zava-baovao sy ara-teknika hatrany ny Biochem hanomezana tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa.
Hatao koa izao tsenabe izao ho fanentanana ny olona ho tonga matihanina amin’ny fiompiana . Ka hisy ny varotra fampirantiana vaovao momba ireo karazam-biby vitsy mpi­ompy, ohatra, akoho vaventy.
Fiompiana haingam-pihodina no ezahina, ary mety atao manerana an’i Madagasikara. Iray andrasana koa ny fampifandraisana ny mpamokatra sy ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola, ary ny mpanjifa. Tanjona hapetraky ny MPE hatrany ny hitondra fampandrosoana sy ainga vao eo amin’ny sehatry ny fiompiana ho fampitomboana sy fanatsarana ny vokatra. Atao izany hamaliana ny filàn’ny mpanjifa sy ny fahalalan’ny mpiantsehatra ny tena zava-misy.
Maherin’ny 20 000 ny mpitsidika andrasana
Amin’ity andiany faha-14 ity, maherin’ny 20 000 ny mpitsidika andrasana ary ho hita mandritra io efatr’andro io ny vokatra rehetra afaka entina hanatsarana ny fiompiana. Hisongadina koa ireo toeram-pivarotana sy mpikirakira sakafom-biby sy ny fanafody hikarakarana azy ireo. Tsy hadino ireo fitaovana amin’ny fikirakirana ny tranony, toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro, sns. Ho hita ao ny mpivarotra atody, hena efa voahodina na tsia, trondro, ronono, fromazy, tantely, sns.
Hisy koa ireo fampirantiana ny biby velona miavaka, ohatra, ataon’ny fikambanana mpiompy alika isan-karazany. Tsy ho diso anjara ihany koa ny ankizy amin’ny fisian’ny toerana natokana ho azy ireo.

Ndrina

FEPA (1) : Foire de l’élevage et de la production animale
MPE (2) : Malagasy professionnels de l’élevage

Partager sur: