Fifanintsanana Can 2024: nahemotra noho ny olana ara-bola ny fampivondronana ny Barea

Tsy raikitra ny fampivondronana ny Barean’i Madagasikara, saika hataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Misedra olana ara-bola sy tapakila amin’ny seranam-piaramanidina,
ahafahan’ireo mpilalao avy any ivelany mihazo an’i Madagasikara ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF).

Tsy tontosa ny fikasana hampivondrona ireo mpilalaon’ny Barea nataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Araka ny vaovao voaray dia misedra olana amin’ny resaka vola sy tapakila amin’ny seranam-piaramanidina handehanan’ ireo mpilalao mila ravinahitra mody eto an-tanindrazana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahi­vina fa fito andro sisa ny fi­haonana amin’i Centrafrique ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana “Can Côte d’ Ivoire 2024”, hotanterahina ny 23 marsa ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Noho ny olana mianjady amin’ny FMF, hahemotra ny alahady 19 marsa ho avy izao ny fampivondronana voalohany ho an’ny ekipa malagasy.

Niantso mpilalaon’ny Atletico Madrid i Centrafrique

Nivoaka omaly ny lisitry ny mpilalaon’ny Fauves Cen­trafrique hihaona amin’ny Barea. Mpilalao miisa 26 mi­rahalahy no nantsoin’i Savoy Raoul, mpanazatra, hiaro ny voninahi-pireneny. Anisan’ izany i Geoffrey Kondogbia, irakiraka mpiaron’ny Atletico Madrid, Espaniola, diviziona voalohany. Miisa 8 ny mpi­lalao avy ao an-toerana, raha toa ka 18 ny mila ravinahitra. Tombony ho an’ny Fauves ny fisian’i Louis Mafouta, lohalaharan’ny Quevilly Rouen Frantsa, diviziona faha-2, izay nahatafiditra baolina 8 nandritra ny lalao 24 nataony amin’ ny fifaninanana « Ligue 2 ». Ahitana mpilalao roa avy nanatrika ny Can U20 2023, natao tany Egypta ny ekipan’i Centrafrique. Biakolo Toni, vodilaharan’ny Toulouse FC (D1 Frantsa) sy i Ato-Zadanga Noah, irakiraka mpanafika ao amin’ny CD Santany Espaina.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo mpilalao 26 ny Fauves Centrafrique :

Mpiandry harato : Kollimba Alla­doum (Katsina United FC Nigeria) – Youfeigane Dominique (EA Guingamp Frantsa ) – Bian­dao Marcellin ( USCA Centrafrique )
Vodilaharana : Biakolo Tony (Tou­louse FC Frantsa) – Guinari Peter (FC Wiltz 71 Lu­xembourg) – Mboumbouni Dylan (CS Mio­veni Roumanie) – Nia­mathe Freeman (Red Star Centrafrique) – Guesset Bangagbi Donald (ORB Centra­frique) – Pounayo Riphat (Fa­tima Cent­rafrique) – Yangao Flory (ORB Cen­trafrique) – Dambakizi Sidney (ORB Cen­trafrique)- Youmbi Jacob (Al Bahri SC Irak)
Irakiraka : Kondogbia Geoffrey (Atletico Madrid Espaina) – Pirioua Brad (Istres FC Frantsa) – Benemna Donald (Northern Colo­rado Hailstorm Etazonia) – Ato – Zadanga Noah (CD Santanyi Espaina) – Toropite Trésor (AS Otôho d’Odyo Congo) – Ngoma Isaac (Tem­pête Centrafrique) – Nlend Samuel (Bisha FC Arabia Saodita) – Baboula Ghislain (Racing CFF Frantsa)
Lohalaharana : Namnganda Karl (La Roche VF Frantsa) – Ouatching Yassan (Hearts of OAK Ghana) – Manzoki César (Dalian Pro FC Chine) – Tompte Eleoenai (ASV Siegen­dorf Autriche) – Mafouta Louis (Quevilly Rouen Métro­pole Frantsa)

Partager sur: