Efa manangasanga ny haha kandidà ny filohan’ny Repoblika ? Nitohy teny Andoharanofotsy indray ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny vahoaka. Notsiahiviny tamin’izany fa niavaka hatrany ny tenany teo amin’ny fifaninanana natrehany. Nambarany fa efa nanao haiady izy ary torankovitra ny mpifanandrina aminy raha vao miakatra kianja ny tenany. “Tsy sahy mifanandrina amiko izy ireny. Aza taitra ianareo fa tsy mbola resy izany isika ary tsy matahotra rehefa tonga ny fifaninanana. Tsy mbola resy tamin’ny politika na amin’ny zavatra atao isika fa mandresy hatrany”, hoy izy. Nanteriny fa vao mainka mampahery azy hanohy ny asa sy mbola hiasa ny fiarahana amin’ny vahoakan’ Andoharanofotsy.
Na izany aza anefa, nambarany fa manasoa vahoaka sy miasa aloha izao. Valiana amin’ny soa sy asa koa ireo mpanakiana, araka ny nambarany. Tanterahina ny nampanantenaina.
Ho voalohany Andoharanofotsy
Tsiahivina fa nizara fanomezana ho an’ireo ankizy teny an-toerana ny filoha ary nampanantena koa fa hahazo bisikleta ireo telo voalohany isaky ny kilasy amin’ny EPP, vao notokana eny an-toerana. Hohatsaraina koa ny EPP eny Iavoloha. Homena ampahany amin’ny tany eny amin’ny lapan’Iavoloha hanaovana kianja koa ny kaominina Andoharanofotsy. Napetraka sahady ny vatofototra ho fanombohana ny asa ka hotokanana mialoha ny 26 jona ny ampahany amin’izany. Tafiditra amin’ny fankasitrahana ireo mpilalaon’ny CFFA Andoharanofotsy nitondra avo ny Barea tamin’ny Chan, farany teo izany. “Ataontsika voalohany amin’ny fampandrosoana Andoharanofotsy”, hoy izy.
Synèse R.