Fivadiham-pitokisana : mpisoloky valo mianadahy voasambotra

Nivadi-pitokisana sady nisoloky vola antapitrisany an’ny mpandraharaha, voasambotry ny mpitandro filaminana teto an-dRenivohitra ny valo mianadahy voasaringotra tamin’io raharaha io, ny 13 marsa lasa teo. Nividy vary tamin’ny orinasa mpandraharaha iray ao Toamasina ireto olona valo ireto, ny taon-dasa teo. Araka ny fifanarahany ta­min’ilay teratany karana tompon’ny entana, naka entana 37 000 000 Ar hatramin’ny 347 000 000 Ar ireo mpisoloky. Narirariran’izy ireo anefa ny vola. Vao ny antsasany no voa­rain’ny tompon’entana. Nisy tamin’ireo mpaka entana ireo nanao “chèque sans provision”. Novonoin’ireo olona ireo ny telefaonina rehefa mitaky ny vola ilay mpandraharaha. Na-metraka fitoriana teny anivon’ ny mpitandro filaminana, noho izany, ilay tompon’ny orinasa mpanafatra vary avy any Inde. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary. Vokany, olona valo sarona teto Antanana­rivo. Na­tolotra ny fampanoavana ny alarobia 15 marsa teo ireto voasaringotra ireto ka andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: