Mandalo eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ilay Maorisiana, Jaunbocus Muhamad, sekretera jeneralin’ ny Jiu-jitsu African Federation (SJJAF) sady solontenan’ ny Global Association of Mixed Martial Arts (GAMMA) atsy Maorisy. Fanidroany amin’ izao no mivahiny eto Madagasikara ny tenany. Hampivondrona ireo mpanao haiady toy ny jiu-jitsu, grappling sy ny MMA no antondiany. Ankoatra izay, hankahery sy hijery ny fomba hahafahan’ny rehetra handray anjara amin’ ilay « Open d’Afrique » ho an’ny grappling ny tenany, izay hatao atsy Maorisy amin’ ny 18 novambra. Eo ihany koa ny fanampiana amin’ny fizarana traikefa ireo mpikatroka malagasy, izay tokony hamiratra mandritra io « Open d’Afrique de grappling » sy ny « Open Fight Championship » ho an’ny MMA. Momba ilay fikarakarana ny andiany voalohany amin’ny OFC hatrany, nanambara ity Maorisiana ity fa ady ho an’ny matihanina anatin’ny ringa mifefy izy ity, izay sambany tonga atsy Maorisy.
Nohamafisiny, anisan’ireo fifaninanam-pirenena MMA tsara indrindra, hivondronan’ ireo mpikatroka sangany izy ity. Nampanantena ny tenany fa fifaninanana lehibe tsy latsa-danja amin’ireny any amin’ireo firenena lehibe no hitranga ao Maorisy, miara-miasa amin’ny GAMMA iraisam-pirenena rahateo izy ireo. Efa firenena ampolony no nanambara ny ho fandraisany anjara amin’izany, hoy hatrany ity tomponandraikitry ny SJJAF ity amin’izao fotoana izao, anisan’izany i Madagasikara. Mieritreritra ny hikarakara izany hetsika izany intelo isan-taona izy ireo. Naneho ny hafaliana amin’izao fandalovan’i Jaunbocus Muhamad izao ny filohan’ny fikambanana kempo sy MMA eto Madagasikara, Rakotonindriana Parfait, izay raha ny nambaran’ity Maorisiana ity dia ho matotra kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta atsy ho atsy.
Mi.Raz