Anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidiana tanteraka ny Malagasy na efa notaterina ombieny ombieny aza ny fanjavozavoana eo amin’ny fanomanana sy ny mety hisiany na tsia. Ny tiana ifampizarana anio, dia momba ny tena votoatin’izany fifidianana izany. Indrindra fa ny mpiantsehatra fototra : ny hofidina sy ny mpifidy.
Zary hifaninanana ny mampidera ny vola sy ny fitaovana hoenti-mandresy lahatra ny mpifidy. Mbola vao vanim-potoana fampahafantarana ny fahavonona azy dia efa mitobatobaka ny miliara ariary. Tsy lazaina intsony ny fivezivezen’ny angidimby eny amin’ny lanitr’i Madagasikara. Ny fizarazarana tee-shirt sy fanamiana, mivoy ny loko hampiasaina efa tsy lazaina intsony. Marevaka sahady ny tanàna. Raha ny endrika ivelany, toa mahasodoka. Marevaka ny tanàna toa miseho ho babany avokoa izay mivoaka any.
Mba manao ahoana anefa ny hevitra entin’izy ireny hanavotana ity firenena malagasy latsaka an-katerena ity ? Aiza ho aiza ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka amin’ny lafiny isan-karazany ? Raha ny ventinkevitra mivoaka amin’ny lahateny nataon’ny mpanao politika hatramin’izao, tsy mbola ahitana taratra izany. Mijanona amin’ny fifanenjehana sy fifampihantsiana amin’izatsy na izaroa. Tsy tsapa izay drafi-pandrosoana sy ny politikam-pirenena hoenti-manatanteraka izany, lany andro mamoaka « dosie » maloton’ny andaniny sy ankilany. Tsy mahagaga anefa izany, efa iaraha-miaina eto Madagasikara ny politikan’ny ravindravina an-tentina.
Raha zohina akaiky ny fandehan’ny raharaha ankehitriny, any amin’ny vahoaka sisa ny baolina. Miankina aminy ny hahombiazan’ny lalao na tsia. Zava-dehibe ny fahaizany misafidy ny mpilalao mendrika. Tsy ho tongatonga ho azy izany. Mitaky fiovan’ny toe-tsaina vonona ny hiaritra mba hisian’ny fanovana. Tsy tokony ho jamban’ny volakely tsy mahavita iray andro na ny sakafo indray manokona intsony. Mila foto-pisainana mahasahy manova, ialana amin’ny vato mafana atolotry ny mpanao politika. Hialana amin’ilay mandrora mitsilany sy ho kaikerin’ny nenina indray any aoriana any.
Hevitra fa tsy vola, tahaka ny nahazatra hatrizay no heverina fa fepetra iray, takina, hisian’ny fifidianana mendrika sy hitondra vokatsoa amin’ny vahoaka. Dieny ety am-piandohana, ilaina ny fijerena izay manokana. Taratry ny firobarobana hataon’ny mpitondra ny fandaniambe atao dieny izao. Tahaka ny mpampiasa vola ihany izy ireny, tsy maintsy mamerina ny lany sy mikatsaka tombombarotra.
Diso ny fiheverana fa mbola misy ny samaritanina tsara fanahy ka hizarazara ny volany. Mila mandinika lalina ny mpifidy amin’ity indray mitoraka ity raha tsy te indroa hahita ny maizina toa tain’omby natsentsin-davaka. Sanatrian-dresaka ny fahantrana lalina iainana tsy resy, mbola hiampy fahoriana mangitsokitsoka ihany koa. Mila fahasahiana anefa ny fiatrehana izany!
r.r