Manaraka fiofanana hanatsarana ny fomba fiasany ireo ekipan’ny sampana vonjy aina eny amin’ny hopitalim-panjakana. Hampihatra avy hatrany ny fomba fiasa vaovao izy. Mila hita misongadina ny fiovana ka ireo manan-draharaha momba ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly no hahatsikaritra izany voalohany.
Hitohy amin’ny sampandraharaha hafa ny fiofanana hisian’ny fanatsarana hatramin’ny sehatry ny fandraisan’olona.
Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana eny anivon’ny hopitalim-panjakana izay tena mampitaraina ny olona.
Manao fanamby goavana, araka izany, ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka ny hisian’ny fiovana tsara ka hanisy lanja manokana ny fandraisan’olona.
Tokony hahazo ny toromarika rehetra tsotra sy mahomby ireo manana ny marary tonga eny amin’ny hopitaly. Mahavaly ny fanontaniana ny tomponandraikitry ny fandraisan’olona fa tsy hanilikilika sy hampivezivezy mandany fotoana. Ankoatra izany ny fahalalam-pomba na amin’ny fomba fiteny, fihetsika, fijery izay bitika indrindra takina amin’ ny asa fandraisan’olona na amin’ny sehatra inona na amin’ny toerana aiza.
Miandry ny vokatry ny fampiofanana, araka izany, ireo mitondra marary eny amin’ny hopitalim-panjakana ary manantena fiovana tsara.
Tatiana A