Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany (CSP3) Antaninandro teny amin’ny Jirama Ambodivona, afakomaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra miharo fanendahana. Nanao fisafoana toy ny mahazatra amin’iny faritra Ambodivona iny ny polisy noho ny fitarainana voarainy avy amin’ny mponina sy ireo mpampiasa iny lalana iny. Anisan’ny manao izany koa ireo polisy miasa ao amin’ny poste de police Ankadifotsy. Afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka, nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny polisy ny faritra Tanà Water Front akaikin’ny Jirama Ambodivona no nahatsikaritra lehilahy roa misalobona lamba ny polisy. Somary hafahafa fihetsika izy ireo sady nitsoaka avy hatrany vao nahatazana polisy. Raikitra teo ny fifanenjehana ka tratra tsy lavitra ny iray. Niroso tamin’ny fisavana ny polisy ka nahitana antsilava lela maranitra ity jiolahy voasambotra ity. Nilaza izy nandritra ny famotorana savaranonando fa nanatanteraka halatra teny amin’ny manodidina izy sy ny namany kanjo izao nifanehatra tamin’ny polisy izao. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny hetsika famongorana ireo jiolahy mpanao asa ratsy manodidina an’ Ambodivona iny.
Jean Claude