Nanao tatitra momba ny fizotry ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon’ny Safidy, omaly. Niaiky izy ireo fa tsy tratra ireo tanjona napetraka noho ireo tsy fahatomombanana hita nandritra ny fikarakarana sy ny fanatanterahana ny asa.
Notakin’izy ireo tamin’izany ny hanamafisana ny fangaraharana sy ny fazahoana antontam-baovao tsy misy teritery na fombafomba sarotra momba ny fikirakirana ny fanaovaozany ny lisitry ny mpifidy. Anisan’izany ny teti-bola, ny fanatanterahana ny kara-panondro faobe
Hamafisina hatrany ihany koa ny fampiatiana sy fampidirana ireo vondrona marefo, indrindra ny vehivavy sy ny tanora ary ireo olona miaina anaty fahasembanana ao anatin’ny zotram-pifidianana. Eo koa ny fijerena manokana ny taham-pisoratan’izy ireo ao anatin’ny lisitry ny mpifidy sy ny fahafahan’izy ireo mandray andraikitra amin’ireo rantsa-mangaikan’ny Ceni.
Manampy izany, hamafisina ny fanentanana sy ny fanabeazana momba ny fifidianana, handresen-dahatra misimisy kokoa ny olom-pirenena hisoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy. “Mila ampiakarina ny fahatokisan’ny olom-pirenena amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana, indrindra ny rafitra mikarakara ny fifidianana. Tokony miasa amin’ny fomba mahaleo tena, tsy mitanila ary mangarahara tanteraka izy ireny”, hoy ny Safidy. Hamoraina koa ny fahazoan’ny olom-pirenena ireo fomba sy dingana arahina mandritra ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy.
Fandefasana SMS sy ny fampiasana ny TVM/RNM
Atao matetika ny fandaharana sy doka amin’ny haino aman-jery sy ny rantsa-mangaikany any amin’ny faritra (TVM/RNM) ary ny onjam-peo any ifotony. Tohizana ny fandefasana SMS avy amin’ny Ceni, ny fifandraisana amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy, ary tokony manamafy ny hetsika fanabeazana ataon’ ny OSC/firaisamonim-pirenena sy ireo mpisehatra hafa. Anisan’izany ny antoko politika, fiangonana, mpitondra fivavahana, olobe ara-drazana…
Etsy andaniny, hamafisina ny fahaiza-manao teknika sy fiomanana ara-potoana ary ny fandrindrana amin’ny fanatanterahana ny asa. Ohatra ny momba ny teti-bola, ny lalàna, ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratongany, sy fanentanana/fahazoana famatsiam-bola, fahazoana sy fizarana fitaovana, fandaminana fiofanana, fampiasana ny NTIC, sns .
Mananampy izany ny fametrahana fomba fiasa/toromarika ho an’ireo mpisehatra rehetra. Tsy ovàna matetika eny elanelam-potoana ny toromarika ho an’ireo vahoaka sy ny rantsa-mangaikan’ny Ceni eny anivon’ny faritra, distrika, kaominina ary fokontany/CLRE.
Synèse R.