Fanatevenana ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Io no anisan’ny nanaovan’ny loholona Ramanambitana Richard, fidinana ifotony tany amin’ny distrik’Antanifotsy, afakomaly. Eo koa ny momba ny adidy aman’andraikitry ny ben’ny Tanàna amin’ny maha mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana azy ireo.
Mba hisian’ny fitantanana mangarahara amin’ny fitondrana tsara tantana izay fanatevenana ny fahaiza-manao izay. Miara-dalana amin’izany ny fampahafantarana bebe kokoa ny adidy aman’andraikitry ny ben’ny Tanàna. Eo koa ny amin’ny loharanom-bola hampandehanana ny kaominina misy azy ireo, ny fanatanterahana ny demokrasia…
Maro amin’ireo ben’ny Tanàna no tsy mahalala ny sazy mety miandry azy raha misy fandikan-dalàna ataony amin’ny asany, indrindra amin’ny fitantanam-bola. Izay no mahatonga ny fanenjehan’ny Bianco azy ireo amin’izany, araka ny tatitra voaray. Noho izany, tsy maintsy hamafisina ny fahaiza-manao ny ben’ny Tanàna mba hampandeha araka ny tokony ho izy sy hampangarahara ny fitantanana.
Tsy tokony hiandry fotsiny ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe koa ny ben’ny Tanàna, fa mila mitady loharanom-bola hahazoana mampandroso ny kaominina iadidiny.
R. Nd.