Araka ny notaterina teto omaly, nahatratra 11,5 % ny fidangan’ny vidim- piainana, ny janoary 2023 teo, araka ny tatitry ny FMI. Voaporofo sady mitohy izany ankehitriny, satria tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny vidim-bary eto amintsika.
Taitra ny rehetra ! Tsy mitsaha-mitombo ny vidim-bary eto an-toerana. Tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy eny amin’ny mpaninjara, ary 1.150 Ar ny iray kapoaka. Nilaza ny mpivarotra iray etsy amin’ny tsena Soamanatombo Anosy, fa miakatra isan’andro io vidim-bary io, raisin’izy ireo eny amin’ny mpamongady, satria 3.800 Ar no nivarotany ny vary gasy ny alatsinainy teo. « Vidianay 175.000 Ar ny iray gony amin’ny vary gasy eny amin’ny mpamongady », hoy ihany izy. Ho an’ny vary makalioka, 3.800 Ar ny kilao ary 1.100 Ar ny kapoaka. Nitsotra ilay mpivarotra, fa « tsy mbola nisy vidim-bary midangana be toy izao teto amintsika, na tamin’ny andron’ny krizy politika aza ». 2.700 Ar kosa ny kilaon’ny vary hafarana avy any ivelany, na 750 Ar ny kapoaka.
Mety hitohy ny fiakarany
Vary vokarina eto an-toerana avokoa ireo midangana ireo ny vidiny. Tamin’ny jolay 2022 no nisondrotra ny vidin-tsolika. Saingy fotoana tsy fisian’ny vary miaka-bokatra intsony izao, sady ratsy ny lalana noho ny fiavian’ny orana. Nilaza ilay mpivarotra etsy Soamanatombo, fa « ahiko mbola hitohy izao fiakaram-bidy izao, fa amin’ny volana mey vao mety hidina ny vidim-bary eto an-toerana, satria vokatra ny vakiambiaty, sady efa miha mihena ny orana ».
Any Ambatondrazaka, sompitry ny vary, manodidina ny 2.975 Ar ny kilaon’ny vary makalioka eny amin’ny mpaninjara, na 850 Ar ny kapoaka.
Tsy hita ny mpiaro ny mpanjifa
Etsy ankilany, tsy hita ny tena ataon’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, manoloana izao fidangan’ny vidin-javatra sy ny vidim-piainana izao. Ho an’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, nambarany fa malalaka ny tsena, ary tsy mitsabaka amin’ny famerana ny vidin-javatra ny fanjakana. « Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa » anefa ny 15 marsa teo, fa zavatra hafa indray, tsy andraikiny, fanokafana orinasa vaovao no notakiny tany Toamasina.
Njaka Andriantefiarinesy