Nitaky vola 4 tapitrisa Ariary : lehilahy naka an-keriny zazavavy 13 taona voasambotra

Mitady hirika ahazoam-bola amin’ny fomba rehetra, tra-tehaky ny mpitandro filaminana tetsy Ampa­sika, omaly,  ny mpaka an-keriny iray, naka zazavavy 13 taona tao Ambohimanarina.

Naka an-keriny zazavavy 13 taona, voasambotra tetsy Ampasika, omaly, ny lehilahy iray tompon’antoka sy nandray anjara mivantana tamin’io tranga fampihorohoroan-tsaina io. Efa mpifanerasera amin’ny ray aman-drenin’ilay zaza, nitsambikina niditra teo amin’ ny varavarankely io lehi­lahy io rehefa tsy nisy olona, ny atoandro. Nigadona ny tamin’ny 10 ora alina, nivoaka avy ao ambany fandriana izy ary nanao sarontava. Nitondra antsy, nentiny nanaraka azy ilay zazavavy 13 taona. Nan­defasany hafatra miafina ta­min’ny telefaonina ny fianakavian’ny zaza.

Nangataka lelavola 4 ta­pitrisa Ar ilay mpaka an-keriny. Nanatona ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo lasibatra. Natao ny fanadihadiana, hita teny akaikin’ ny fasam-bahiny, Ambohi­dahy ilay zazavavy tamin’ny
3 ora maraina. Tra-tehaka teny Ampasika koa ilay naka an-keriny ka nentina hatao famotorana.

Raha tsiahivina, ny volana febroary lasa teo, niakatra fampanoavana koa ny mpaka an-keriny iray nahafaty ny zazalahikely nalainy tetsy 67 ha, hita faty andro vitsy taorian’ny nitazonan’ireo mpaka an-keriny azy. Nitaky vola antapitrisany tamin’ny fianakavian’io zazalahy io ilay olon-dratsy. Voasambotra tao Ambohimanambola io mpaka an-keriny io ka nidoboka etsy Antanimora.

Tsiferana R.

Partager sur: