Nivory ny filankevitra siantifika eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Voalazan’ny tatitry ny fivoriana fa efa voafaritra mialoha ny antony tokony hampiakarana filankevi-pifehezana ny olona iray ao anatin’ny oniversiten’Antananarivo. Fisandohana olona, fanaovana hosoka, diplaoma hosoka… no antony mitarika amin’izany, araka ny fepetra napetraka nanomboka ny taona 2020. Miangavy ny tomponandraikitra ireo mpikambana amin’ny filankevitra siantifika tsy hanafangaro ny raharaha momba ny onivesite amin’ny zavatra hafa tsy misy idirany mihitsy.
Hiroso amin’ny fialan-tsasatra ho an’ny fetin’ny Paska ny oniversiten’Antananarivo ny 3 ka hatramin’ ny 11 avrily, arakaraka ny lamina ataon’ny fakiolte tsirairay.
Tokony hiakatra “Codis” amin’ny alatsinainy ho avy izao ny mpianatra efatra eny Vontovorona noho ny korontana niseho teny. Mazava ny fanambaran’ny filankevitra siantifika, omaly.
Vonjy A.