“Lasa mihorohoro sy matahotra isika rehefa hiatrika fifidianana. Zava-tsoa sy sarobidy ny fifidianana. Nefa matahotra hiatrika izany isika, indrindra ny aorian’ny fifidianana”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Izay no iantsoany ny rehetra hoe: zava-dehibe ny fampanjakana ny filaminana sy ny fitoniana ary ny fahamarinana.
Ahoana no hahazoana ny hevitry ny rehetra, raha hanao fakan-kevitra sy fifanakalozan-kevitra momba ny fifidianana ny Ceni amin’ny 24 marsa ? Zava-dehibe izany. Mba henoina ny hevitry ny olona, homen-danja. Eo koa ny fifampitokisana ao anatin’ny fifampiresahana. Hatao amim-pahamarinana sy amim-pitoviana ny fakan-kevitra. Ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Sorohina ny mety ho disadisa. Tsara raha mandray anjara ny rehetra, ampitoviana ny rehetra, henoina ny rehetra, omen-danja ny rehetra …
Mila fitoniana ny rehetra
Rehefa mandeha ny fifidianana, lazain’ny olona hoe fifandanjan-kery: misy ny fampitambarana hery. Tsy mampaninona izany, raha entina amin’ny fifidianana tsotra ny firenena. Fa raha hoe mitambatra ka lasa hery roa mifandona eto amin’ny firenena, sanatria. Na ny vahoaka no hiharana sy ho fitaovana amin’izany, sanatria.
Izay no iantsoana fihavanana ho amin’ny filaminana sy fitoniana. Fa tsy hoe hitambatra mba hahazoana hifandona na hisian’ny herisetra, manoloana ny fanomanana ny fifidianana. Mila fitoniana ny mpanao politika, ny mpikarakara sy mpikirakira fifidianana, indrindra ny vahoaka tsy ho mora andairan-javatra fa tsy hatahotra fifidianana.
R. Nd.