Tontosa teny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, ny alakamisy 16 marsa 2023, ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny tarika Rary. Noresahin’ny tomponandraikitra tamin’izany ny momba ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Rary, misehatra eo amin’ny dihy. Tanjona ny hanatsara hatrany ny tarika, indrindra ny sehatry ny dihy eto Madagasikara, hoy ny tomponandraikitra. “Maro ny hetsika samihafa momba ny dihy saingy ny lalam-barotra no mbola tsy misy raha tsy entina eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy Andriamoratsiresy Ariry.
Ny faha-25 taona niasan’ ny tarika Rary tao amin’ny Tahala rarihasina Analakely no hankalazaina amin’ity taona ity. Maro ny hetsika entina mankalaza izany. Fampisehoana hatao ny sabotsy 18 marsa 2023 no hanokafanana azy, iarahana amin’ny fianakaviamben’ny tarika Rary, eny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.
Anisan’ny hanamarihana izao fankalazana izao ny boky rakitra rary, afaka hanoratana ny soratry ny teknika rary. Fomba fanaon’ny mpahay kanto dihy izy ity, indrindra ny any Eoropa, hiraketana ny dihy ataony, ankoatra ny fandraketana an-tsary. Horaketina an-tsoratra ihany koa, araka izany, izay dihy na mpandihy mandalo ao amin’ ny tarika Rary, manomboka eto. Ankoatra izay, hampitombo ny fivelarany eo amin’ny tontolo, indrindra ny tontolon’ny dihy ny tarika. “Na dia eo aza ny firoborobon’ny dihy avy any ivelany, izay tena matanjaka tokoa, mbola tsy voazeran’izany rivotra mitsoka izany ny dihy nentin-drazana, indrindra ny dihy Rary” hoy Andriamoratsiresy Ariry, mpitarika ny tarika Rary. Ny Rary izay karazana dihy avy any amin’ny faritra Avaratra, entina mirary soa ny mpiantafika tamin’izany andro izany.
Lin (Mpianatra asa)