Herinandro ny faharetan’ ny fifanakalozan-kevitra ataon’ireo talem-paritry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy miaraka amin’ny Fid, any Kigali Rwanda. Miompana amin’ ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana hisian’ny fahombiazana eny ifotony no anton’ ny fifampizarana traikefa.
Efa lasa lavitra i Rwanda amin’io sehatry ny fiahiana ara-tsosialy io ary ahitam-bokany misongadina ny hetsika sy ny paikady entin’ny firenena manatanteraka izany. Maka traikefa, araka izany, i Madagasikara hampiharina sy hampifanarahana amin’ny zava-misy eto an-toerana.
Ireo mpiantsehatra mivantana amin’ny fiahiana ara-tsosialy mihitsy no nalefa hihaona amin’ireo miantsehatra sosialy any amin’ity firenena ity hanamorana ny fampitana sy hahafahana mampihatra avy hatrany ny traikefa.
Tanjona ny fanatsarana ny sehatra fiahiana ara-tsosialy, indrindra ny fanatanterahana ny tetikasa “Haratonaina” eto Madagasikara, izay anisan’ny imasoan’ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana, amin’ ireo distrika maro manerana ny Nosy.
Mitarika ireo delegasiona any Rwanda ny talen’ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina, Ratovomamonjy Anja Hobiniaina.
Marihina fa ny “Haratonaina” dia tetikasan’ny fitondram-pankajana malagasy, arindran’ny minisiteran’ ny Mponina, tanterahin’ny FID eny ifotony, ka ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy azy ara-bola.
Tatiana A