Nanendaka olona efatra tao Tanambao Verrerie Toamasina, voasambotry ny zandary ny jiolahy roa, ny alin’ny 11 marsa hifoha 12 marsa teo. Naharay antso tamin’ny olona manodidina ny mpitandro filaminana fa misy roa lahy manao ny asa ratsiny teo amin’ io toerana io. Nidina ifotony nanao ny fisafoana ny zandary. Nitsoaka avy hatrany ireo roa lahy vao nahatazana ireto farany. Raikitra ny fisamborana. Tra-taheka izy roa lahy. Natao ny fisavana ny kitapo, sarona tao ny rongony mahatratra 57 fonosana. Mbola niampy ampahefa kilao anaty fonosana plastika izany. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary izy ireo ary natao famotorana. Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha, naiditra am-ponja vonjimaika ireto jiolahy ireto.
Tsiferana R.