Tontolon’ny fitsarana : tsipahin’ny SMM ny tsindry sy ny fibaikoana ny mpitsara

Namoaka fanambarana, nosoniavin’ny filohany ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), omaly, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa mibaribary sy miitatra ary mikorosy ny asam-pitsarana. Mifanalavitra ny kabary arahin-pehin-kevitra mivoaka sy ny fanapahana raisina, na ofisialy izany na tsia, araka ny fanambarana. Notsiahivin’ny SMM fa nandalo dingana sy sarotra ary niaraha-nidinika tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fananganana ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). “Misy fiantraikany goavana ary mety haharitra amin’ny tena ady amin’ny kolikoly anefa ny fidikidirana sy fitsabahana ary ny fanomezana baiko amin’ireo mpitsara ao”, hoy izy ireo.

Miantso ny CSM ny SMM

Nohelohin’ny SMM ny fanimbana isanandro ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana amin’ny endriny isan-karazany. Takin’izy ireo ny hanatsaharana tsy misy fepetra ny tsindry mihatra matetika amin’ireo mpitsara rehetra manerana ny Nosy momba ireo antontan-taratasin’ady andalam-pitsarana.
Niantso ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ny SMM mba handray feno ny andraikitra nankinina taminy ary hanatanterahany ny asany amin’ny maha tompon’antoka azy momba ny fahaleovantenan’ny fitsarana tahaka ireo rafitra misy maneran-tany.
Nanterin’izy ireo fa antoka lehibe iankinan’ny filaminan’ny fiarahamonina ny fitsarana madio, mahaleo tena, tsy hijerena fironan-kevitra politika.

Synèse R.

Partager sur: