Barean’i Madagasikara: hiala tsy ho mpanazatra Atoa Nicolas Dupuis

Mazava ny resaka! Misaraka ny lalan’ny ekipam-pirenena malagasy sy Atoa Nicolas Dupuis. Nanapa-kevitra ny tsy hanavao intsony ny fifanarahana ny tenany raha vao migadona ny volana septambra.

Nanambara tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly zoma i Ni­colas Dupuis fa tsy hanavao ny fifanarahana amin’ny ha­naza­rana ny Barea de Mada­gas­car intsony, ny tenany. “Na ho tafita na tsia, tsy hanazatra ny Barea de Mada­gascar intsony aho, amin’ny volana septambra ho avy izao”, hoy izy. Nomarihiny fa hiezaka hatrany izy hanao izay hahatafita an’i Madagasikara, amin’ny Can 2023. Efa nanambara rahateo ny filohan’ny federasiona ma­lagasy (FMF), nandritra ny fi­voriambe natao tany Mantasoa, ny 4 marsa teo fa tapitra amin’ny septambra ny fifanarahana amin’ity mpanazatra ny ekipam-pirenena zokiny ity.
Antony, voalazan’ity teknisianina frantsay ity, mahatonga azy haka ny fanapahan-kevitra dia ny ho fisahanany andraikitra vaovao: fikarakarana ireo taninketsan’ny baolina kitra, izay zava-dehibe aminy. “Ha­ha­ritra hatramin’ny taona 2026 izany asa vaovao hatao izany”, hoy izy. Tsiahivina, no­tendren’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, hitantana ny Akade­mian’ny baolina kitra izy. Mikarakara ny kilonga ma­dinika izy, nanomboka ny volana jona 2021. Efa nisy ny fikarakarany fifaninanana ho azy ireo, nanerana ny Nosy. Ani­san’ireny ny “Tournoi Dori­tos”.
6 andro mialoha ny fihaonana indroa miantoana amin’i Centrafrique, ho an’ny vondrona “E” izao zava-misy eo amin’ny Barea sy i Nicolas Dupuis izao. Madagasikara izay mitana ny laharana farany ary tsy manana afa-tsy isa 1. Heverin’ ny mpanazatra fa mbola azo atao tsara ny ho tafita raha ma­hazo fandresena roa. Mbola ao anatin’ny fifaninanana ihany koa na fandresena iray aza.

Efa tsinjony mialoha ve?
Nahazoana fanehoan-kevitra maro, na tao anaty tambajotran-tserasera na teny an-dalana na tamin’ny antso an-tariby, ity fametraham-pialan’i Ni­colas Dupuis” ity. Tao ireo nilaza fa efa tsinjony mialoha fa ho sarotra ny lalana hiakaran’ny Barea de Madagascar, amin’ny “Can 2023”, ka nataony tonga mialoha ny azy. Ny hafa indray niteny fa noho ny tsy fahatongavan’ireo mpilalao mpila ravinahitra maro no antony. Heno ihany koa fa tsy matoky ireo mpilalao avy eto an-toerana ny tenany.
Fantatra tokoa fa ankoatra an’i Marco, tsy ho tonga ihany koa i Ando Pro, noho ny ratra mahazo azy ankehitriny. Etsy an-kilany, misy amin-dry zalahy mametraka fepetra fa raha tonga eto izy ireo avy hatrany dia tompon-toerana fa tsy ho mpilalao fiandry. Hahazoan’ izy ireo isa any amin’ny kliobany mantsy ny fijoroany amin’ny ekipam-pirenena.
Na eo aza ireo fanehoan-kevitra ireo, hanomboka ra­hampitso alahady ny fampivondronana ny Barea de Ma­dagascar. Hanomboka ny alatsinainy kosa vao ho tonga ireo mpilalao mila ravinahitra.

Tompondaka

 

Partager sur: