Tontosa omaly, tetsy
amin’ny Galerie Vellutini ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ Isoraka Miray (FIM). Nanatanteraka izany ny filohan’ny fikambanana FIM sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. «Vonona aho sy ny mpiara-miasa amiko hanampy ny mponina, amin’ny alalan’ny fandaminana sy fanadiovana ny tanànan’Isoraka», hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Tanjona ny hampadio sy hampilamina ny tanànan’Isoraka, araka ny fanazavana voaray. Manamafy izany ny teny filamatry ny tanàna hoe : «Isoraka madio sy milamina».
Tanàna milamina
Fametrahana ny fandriampahalemana sy fahadiovana ary hamerenana ny hasin’ Isoraka ny votoatin’ny fiaraha-miasa. Ankoatra izay, maro ny fanatsarana tsy maintsy atao eny an-toerana. Toy ny fanasiana ny lamina ho an’ny «parking», fandraisana fepetra manoloana ireo fanelingelenana ateraky ny tabataba ary fametrahana vavahady sy jiro eny anivon’ny fokontany tsirairay avy. Mba hialana amin’ireo karazana asa ratsy misy eny an’elakela-trano ihany koa, raha ny fanazavana voaray hatrany.
“Vonona izahay mponina, handray ny andraikitra tandrify anay tsirairay avy mba hanatanterahana sy hampandeha ny asa”, raha ny fanazavan’izy ireo.
Nilaza ny ben’ny Tanàna fa tafiditra amin’ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izao. Mbola hitohy manerana ny toerana maro eto Antananarivo ny hetsika.
Mino (mpianatra asa)