Djibouti: maka traikefa momba ny RSU i Madagasikara

Manatanteraka fihao­nana sy fifanakalozana traikefa any Djibouti ny eki­pan’ny fiahiana ara-tso­sialy avy eto Madagasikara sy avy any amin’ny Nosy Comores. Midinika momba ny fandrafetana ny lisitr’ ireo olona tena mila tohana ara-tsosialy (RSU) izy ireo hahafahana mifehy ny asa fanohanana ireny sokajin’ olona marefo ireny.
Tanjona ny hampivoa­rana ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy, indrindra ny fanatanterahana ny tetikasa “Haratonaina” eto Mada­gasi­kara, ifaharan’ny fa­nampiana ny tena sahirana.
Efa lasa lavitra tokoa ny sehatra fiahiana ara-tso­sialy ao Djibouti.
Efa voapetraka ary miasa tsara ny “Registre sociale unique” (RSU), fitaovana iray manan-danja mirakitra ny lisitra sy ny mombamomba ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy tsy arahina latsakemboka.
Eo an-dalam-pijoroana amin’ny fametrahana izany kosa i Madagasikara mba hanamorana ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fi­voaran’ireo tokantrano tena marefo.
Mitarika ireo delega­siona any an-toerana ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Ghisbert. Ny minisitry ny Raharaha sosialy sy ny fi­raisankina ao Djibouti kosa no nandray ireo delegasionina malagasy sy avy any Comores.

Tatiana A

Partager sur: