Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny “Ledany” tao Tsarahonenana Sahanivotry, Antsirabe II, afakomaly. Niantso ny zandary ny fokonolona fa mirenireny ao an-tanàna io jiolahy io. Nanao vela-pandrika, nifandrimbona ny andrimasom-pokonolona. Efa voasambotra nirifatra nankany anaty ala i Ledany. Nampitandrina azy in-telo nisesy ny mpanara-dia. Vokany, nitifitra ny zandary. Lavo ny bala ity jiolahy raindahiny ity. Marihina, vao maty voatifitra vao tsy ela koa i Fredy izay namany nandravarava tao amin’ireo tanàna roa ireo. Nandroba tamin’ny alalan’ny fanafihana tokantrano maro, efa nokarohina hatry ny ela ireto jiolahy samy lavo ireto.
Tsiferana R.