Fanodinkodinana zaza : teratany karana iray naiditra am-ponja

Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay teratany karana voalaza ho nanodinkodina zaza tamina fiangonana iray etsy Andavamamba.

Niatrika mpitsara mpanao famotorana ilay lehilahy teratany ka­rana nampiresaka ireo telo mirahavavy tamina fiangonana iray etsy Andavamam­ba, ny alahady teo. Tapaka taori­an’izay fa alefa any am-ponja izy miandry ny fotoam-pitsarana. Tsiahivina fa nahoraka tao anaty tambajotra sosialy ity tranga ity, ny herinandro teo. Ny alahady lasa teo tokoa, naharay antso ny polisy mahakasika trangana fakana an-keriny. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka voasambotra tamin’
izay ity lehilahy lehibe teratany karana ity. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa nampiresahany tao am-piangonana ilay ankizivavikely 12 taona sy ireo namany roa vavy hafa 14 taona avy . Nasainy hiara-hisakafo ami­ny mihitsy ireto mpianatra Sekoly alahady ireto, tamin’ io fotoana io. Araka izany, velon-tahotra tanteraka ny iray tamin’izy telo ka tsy nahatsiaro tena, nentina faingana teny amin’ny mpitsabo. Nohamafisin’ny polisy fa noho ny fahatahorana no nitarika izany. “Tsy araka ny vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera izay milaza ho nisy tsindrona zava-mahadomelina na fanafody hafa mety ho nampidirina”, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy ankilany, nilaza ny ray aman-drenin’
ireo zaza saika hahodinkodina fa nisy horonantsary ma­moafady ny findain’ilay teratany vahiny io. Nahitana fa­nafody mampatanjaka ihany koa tao anatin’ny kitapony, hoy hatrany ny fianakaviana.

Henintsoa Hani

Partager sur: