“Iray ihany isika manohana ny filoha Rajoelina: mila fifandeferana, fifanampiana, indrindra ny fifankatiavana. Hasehontsika izany, tsy misy haharesy isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Andoharanofotsy, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika.
Noho izany, nangataka tamin’ny filoha izy ny hanaovana hetsika eny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, amin’ny 22 avrily. Ho tonga amin’izany izay rehetra mpanohana ny filoha: ny avy any amin’ny faritany, izay olona tia azy… Haseho amin’izany ny firaisankinan’ny rehetra, fa miara-miasa aminy izy ireo.
“Ny fotoana mandritra telo na enim-bolana, hampitombonay minisitra, governora, ny olom-boatendry rehetra ny asa rehetra. Tsy maintsy atao tanteraka ny velirano natao. Ny faniriana dia izao: hifanampy isika”, hoy izy. Tampina ny mason’ny olona tsy mahita ny zava-bita. Raha mbola misy fitondram-panjakana, amin’ny fo tsy miangatra: tsy mbola nahita fotodrafitrasa vita toy izao.
“Ny antso avo ataoko ho antsika rehetra, indrindra izahay governora: tokony hahay miara-miasa amin’ny olom-boafidy isika governora rehetra”, hoy ihany izy. Mampahory ny ray aman-dreny ny hoe zanaka tsy mifankahazo.
R. Nd.