Manontany tena ny mpikaroka raha misy lanjany ho an’ny mpitondra ny fikarohana sy ny voka-pikarohana satria tsy ampy ny sora-bola natokana ho an’io sehatra io hatramin’izay. Hanome lanja ny fikarohana sy ny voka-pikarohana no tanjon’ny vovonana hajoro.
Hametraka rafitra iray « observatoire pour la science et pour le développement de Madagascar » hahatonga ny mpikaroka sy ny tontolon’ny fikarohana ho vovonana tsy ho azo hihodivirana rehefa hanapa-kevitra sy hamolavola tetikasa fampandrosoana an’i Madagasikara. Io no tanjon’ny birao vaovao hitantana ny fikambanan’ ny mpikaroka mpampianatra eto Madagasikara (ACE). Ao no hiainga ny filazana ireo voka-pikarohana efa vonona sy ny fampahafantarana ho an’ ny mpampiasa fa misy voka-pikarohana azo ampiasana mifandraika amin’ ny olana misy, hoy ny fanazavan’ny filoha vaovao hitantana ny ACE mandritra ny telo taona manaraka, Rondro Baohanta, omaly, teny Ampandrianomby. Mpikaroka ao amin’ny foibe fikarohana mikasika ny tontolo iainana izy, foibe iray amin’ireo sivy miankina amin’ny fitantanan’ny fanjakana. Vinan’ ny mpitantana vaovao ny hanamafy ny fahafantaran’ ny olona ny mpikaroka sy ny tontolon’ny fikarohana. Asa lehibe maro no hiandraiketana mandritra ny telo taona : fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpikaroka sy ny fahaiza-mamorona ; eo koa ny fifampizarana amin’ny samy mpikaroka sy amin’ ny mpampiasa ny voka-pikarohana. Zava-dehibe koa ny fanaovana tomban’ ezaka ato anatiny mba hamoaka voka-pikarohana avo lenta ny mpikaroka ka fitaovana ahafahana manatsara hatrany izany ny tomban’ezaka. Omaly no nifidy ny birao vaovao hitantana azy ny mpikambana.
400 eo ho eo ny mpikaroka, miparitaka amin’ny foibem-pikarohana sivy manerana ny Nosy. Olana naroson’ny mpikaroka hatramin’izay ny tsy fahampian’ny teti-bola natokana ho an’ny fikarohana. 0,1% amin’ny harinkarena faobe (PIB) ihany hatramin’izao no hoan’ny fikarohana, raha tokony ho 1% no ilaina raha tiana hisy fiantraikany amin’ ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny filohan’ny fikambanana ACE teo aloha, Ratsimbason Michel.
Vonjy
Zezika volkanika
Mpikaroka ao amin’ny CNRIT manomana ny mari-pahaizana « Doctorat », Rakotondrafara Hobiniaina. Miompana amin’ny zezika volkanika manatsara ny tany hambolena ny fikarohana ataony tao anatin’ny efa-taona. Mihisatra ny fikarohana satria tsy ampy ny vola enti-manana ka ny mpikaroka ihany no miantoka ny sora-bola rehetra ilaina manomboka amin’ny fampiasana ny laboratoara hatramin’ny fidinana ifotony mijery ny tantsaha mpiara-miasa. Ny vato avy amin’ny volkano any Itasy no hiompanan’ny fikarohana sahaniny ary havadika ho zezika azon’ny tantsaha ampiasaina. Ny TMM eny Ambohijafy amin’izao fotoana izao no nanaiky hiara-hiasa aminy, hanao andrana ny zezika volkanika. « Afa-po aho rehefa miantraika amin’ny fiainan’ny Malagasy ny voka-pikarohana ataoko. Rehefa vita ny fanohanan-kevitra momba ity voka-pikarohana ity, ho hita eo indray ny hitondrana ny tohiny », hoy izy. Namolavola tetikasa momba ity fikarohana ity ny tenany ary nitady mpanohana teo amin’ny vola.