Nisy akony ny fifampiraharahana tamin’ity taoana 2023 ity teo amin’ny sendikan’ ny mpiasa any Japana (Shunto) sy ny tompona orinasa. Amin’ ny ankapobeny, nitombo 3,8 % ny karaman’ny mpiasa, ambony indrindra izany nandritra ny 30 taona . Hitondra vokatra tsara ho an’ny toekarena any an-toerana koa izany sy hanatsara ny politika momba ny sandam-bola, izay be mpitady ny vola japoney (Yens) amin’ izao fotoana izao.
Nitombo tsikelikely ny karaman’ny mpiasa isan-taona. Natao izany ho fiarovana ny asa fa tsy tena noho ny fitakian’ ny mpiasa loatra. Fiarovana ny orinasa, indrindra mpividy akora fototra avy any ivelany sy mpanodina azy, ifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Fa nasondrotra koa ny karaman’ny mpiasa japoney hiatrehana ny vidim-piainana, toy ny angovo sy ny sakafo isan-karazany.
Fa ny antony lehibe indrindra, ireo orinasa mihitsy no matahotra sao matiantoka tanteraka , ary maro amin’ireo olona no very asa. Nilaza ny mpitondra any Japana fa lesona lehibe ho an’ny firenena maro izao fitsinjovana ny mpiasa izao mba tsy hampihena ny krizy maneran-tany, izay amam-polo taona maro ny ho fanarenana izany. Efa hita any Eoropa izany krizy ara-toekarena izany ankehitriny noho ny ady any Ukraine.
Ndrina