Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny vaovao momba ny Barean’i Madagasikara. Nitatitra ny gazety Taratra fa misy olana goavana ny resa-bola ka nampiatoana ny fampivondronana tokony ho nanomboka ny alakamisy lasa teo. Tsy nanda na nandiso ny vaovao ny tomponandraikitra tamin’ny Federasiaona malagasin’ny taranja baolina kitra (FMF). Ny nahavariana, ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika indray sy ireo karazana kaonty fako isan-karazany no nampiaka-peo sy nanao antsojay teny amin’ny « facebook ».
Tsy hidirana lalina ny amin’izay, satria iaraha-mahalala fa efa fanaon’ny tomponandraikitra ambony ao an-dapa ny mijabaka amin’ny tsy tokony hijabahana. Tsy mahagaga raha misy ny mahina tsy enjehina sy manivaiva olona izay mahasahy mamoaka ny marina. Mbola tsy mahay maka lesona ihany, tamin’ireny tsy mba nahafahan’i Madagasikara nandefa olona tany amin’ny Lalaon’ny Nosy farany teo, izay natokana ho an’ny tanora ireny. Iza no tsy nahalala fa ny fifandroritana teo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ramatoa tale iray tany ambonimbony tany no nampitsefotra an’iny. Izao indray, mbola misy alok’ity farany ity, misalovantsovana ny resaka Barea.
Tsy hororitina lava iny resaka iny, satria onja miiba tsy hahavitan-javatra. Mety hanonto vintana ny ekipam-pirenentsika ihany koa. Ny fantatra aloha, mivaha ny olana. Hanomboka rahampitso ny fampivondronana. Ny alatsinainy, higadona tsikelikely eto Madagasikara ny mpila ravinahitra any ivelany. Afaka misento tokana ny mpankafy baolina kitra. Mahazo manantena ny mpijery baolina fa hakotroka ny lalao eny Mahamasina, amin’ny herin’ny alahady.
Entanina hatrany ny firaisam-pon’ny vahoaka malagasy, amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena. Tsy atao mahakivy ny zava-misy amin’izao fotoana izao, dia io fihetsiky ny mpanazatra Nicolas Dupuis io. Mahavariana fa, 6 andro mialoha ny lalao no mivoaka ny fanambarany. Izay tanjony tsy hiadian-kevitra, ny antony aleo hodiana fanina. Ny vanim-potoana nilazana ilay izy no mampametra-panontaniana. Tsy maintsy amin’izao fotoana izao ve, kanefa mbola ny volana septambra vao hametra-pialana ?
Anjaran’ny tsirairay ny mandinika. Anjaran’ny mpilalao ny tsy maintsy miady mafy ho an’ny voninahi-pirenena. Tsy maintsy milalao sy manambony moraly ny ekipa rehetra, manomboka izao. Malagasy mahay miray hina anaty sarotra. Vahoaka sy mpilalao miray saina sy fo, manandratra ny hambompo no ilaina. Anisan’ny mitarika izay hafanam-po izay sy manao ny baolina kitra ho anisan’ny raharaham-pirenena ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Rehefa ny loham-pary no mamy sy manome hasina ilay taranja, irariana mba hisosa ny zava-drehetra fa tsy ho kilalao sadasada tahaka ny ataon’ny sasany !
r.r