Lalana Ratsimba… : ho tapaka amin’ny ampahany

Nampahafantatra ny fiadidiana ny tanànan’Anta­nanarivo fa ho tapaka amin’ ny ampahany ny lalana Ra­tsimba, miainga eo amin’ ny Lycée Gallieni mihazo ny lalana Ravelojaona (kao­misarian’ny boriborintany faharoa), hatreo amin’ny lalana Joël Rakotomalala (Jules Ferry). Ny sabotsy izao no hisian’ny fahatapahana manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina.

Mila manaraka fandaminana, araka izany, ireo izay tsy maintsy hampiasa iny lalana iny anio amin’ ireo ora voatondro ireo.

Nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny prefektoran’ny polisy, araka ny laharana 062/23-MID/PREF. POL/AG, ny 14 marsa teo, hanao ny « carnaval » ny Comité Namako ny Tany ka izay no anton’ny fahatapahan-dalana.

Nanamarika ny fiadidiana ny tanàna fa tompon’ andraikitra feno amin’ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fotoana rehetra hanaovany ny hetsika ny mpikarakara.

Tatiana A

Partager sur: