Menabe Antimena : hanomboka ny fizarana « titre vert »

Nampahafantarina tany Morondava, ny 17 marsa teo, ny fanombohana ny tetikasa hanomezana karatany maitso (titre vert) ny mpifindra-mo­nina manodidina ny Faritra arovana Menabe Antimena (Apma). Manohana azy ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid), miaraka amin’ny minisitera isan-tsokajiny voakasika, toy ny ao amin’ny Fambolena, ny Fanajariana ny tany, ny Ton­tolo iainana, ny faritra Menabe, sns.
Tanjona ao anatin’ity tetikasa ity ny hanomezana tany azo volena ho an’ireo mpo­nina nanorim-ponenana an-tsokosoko tao amin’ny Apma, rehefa nitsoaka ny hain-tany tany Atsimon’ny Nosy.
Ho lasa tompon’ny tany

Any Beziky ny toerana hanorenana tanàna vaovao ho azy ireo. Hisy ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny trano fonenana, fanajariana lemaka hamokarana, hanohanana ny mponina vaovao sy ireo efa monina any an-toerana. Ma­hazo karatany ara-dalàna amin’ ireo tanim-panjakana ny mpifindra monina rehefa afaka manajary izany.
Nilaza ny talen’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana ny toekarena ao amin’ ny USAID/Madagasikara, Rtoa Agathe Sector, fa « mety mbola hifindra any amin’ny faritra vaovao ireo mpifindra-monina, rehefa miova ny toetr’ andro ».

Njaka A.

Partager sur: