“Tsy marina ny filazana fa tsy misy ny federesiona karate-do eto Madagasikara”, hoy Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasiona malagasin’ny Karaté-Do, ny alakamisy 16 marsa lasa teo, teny Tsimbazaza. Nomarihin’izy ireo fa nankatoavin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny fisian’ny Federasiona izay tarihin’i Emile Ratefinanahary, nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana na ny “AG extra ordinaire”, natao ny 15 oktobra lasa teo. Araka izany, mitaky an-dramatoa Rakotozafy Rosa, mba hamoaka ny “Certificat de Conformité” ho an’i Emile Ratefinanahary.
Manao fangatahana amin’ ny minisitra vaovao, Haja André Resampa, izy ireo mba hijery akaiky ny taranja. Nohamafisiny fa “tsy misy federasiona roa eto Madagasikara”. Efa mipetraka daholo, hoy izy, ny rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny Federasiona na ny “Comité exécutif”, ary manohy ny asany na dia voasazin’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao na CIJ. Tsiahivina fa efa mikarakara ny fifaninanana “Coupe du Président” ny Federasiona Karate-Do, tarihin’i Emile R, ary efa miroso amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiatrehana ny lalao Olympika hatao any Los Angeles, ny taona 2028 izy ireo.
Fitia (Mpianatra asa)