Natolotra, omaly, teny Anosy, ny politikam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PNN) nohavaozina hatramin’ny taona 2030 sy ny paikady hanatanterahana ny asa ao anatin’ny dimy taona ho avy. Nohamafisina ao anatin’ny politika ny fiaraha-miasa marolafy ahitana ny fahasalamana, fanabeazana, rano fanadiovana sy fidiovana, rafitra ara-tsakafo… Hisy rohy hampifandray ireo miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka. Handrindra ny asa ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) satria efa manana paikady manomboka amin’ny fitsirihana ny asa sy ny mpisitraka ary ny mpanohana izy ireo, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionaly, (ONN), profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle. Fito ny rafitra hanatanteraka ny paikady ary ankoatra ny tohana avy amin’ny fanjakana samy nanana ny mpamatsy ny volany izy ireo. Manara-maso ny fampiasam-bola hipaka any amin’ ny mpisitraka ny ONN, manana rafitra isam-paritra rahateo izy.
Firenena fahafolo maneran-tany ary fahafito aty Afrika mitondra faisana noho ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny taona 2020 i Madagasikara. Efa nidina ho 39,8% ny tahan’ izany ny taona 2021 raha 56,4% ny taona 1992. Misongadina ny fiakaran’ny taha aty afovoan-tany. Satria mitombo isan-taona ny isan’ ny mponina, miakatra manaraka izany koa ny isan’ ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo izay efa manodidina ny 1,6 tapitrisa, ny taona 2021.
Miasa any Atsimo
Iray amin’ireo mpisehatra miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM), indrindra any atsimon’ny Nosy. Misoroka sy mandray an-tanana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony ny PAM. Iantefan’ny asa ny zaza enim-bolana hatramin’ny 59 volana, izay omena fanampin-tsakafo voaomana mialoha. Manampy ny fampianarana ny mikarakara sakafo ara-pahasalamana miaraka amin’ ny akora vokatra eo an-toerana.
Vonjy A.