Nihaona mivantana tetsy Antaninarenina nandritra ny hetsika “Partners in development fair” ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ ny Peace Corps Madagascar sy ireo mpiara-miasa aminy. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana ataon’izy ireo mialohan’ny handraisana ny asany ity fihaonana ity.
Niompana tamin’ny fanamafisana ny fifandraisana sy fiaraha-miasan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina amin’ireo fikambanana tsy miankina izany. Nandray anjara avokoa ny fikambanana avy eto an-toerana sy vahiny ary avy amin’ny sampandraharaham-panjakana samihafa izay samy nampahafantatra ny asa ataony eto Madagasikara.
Fotoana nifanakalozana sy nifampizarana traikefa ary koa nahitana sehatra ahafahan’ireo mpandray anjara miara-miasa any aoriana ihany koa ny hetsika.
Nandray anjara tamin’ ny fihaonana ireo mpanolotsaina avy amin’ny Education USA Madagascar, nanao fizarana tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo momba izay tsara ho fantatra amin’ny fanohizana fianarana ambony any Etazonia.
Tatiana A