Rallye Moi(s) Théâtre : hahazo laka ny ankizy 7 hatramin’ny 11 taona

Hotontosaina, anio, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy/Gz Tohatohabaton’ Antaninarenina, ny atrikasa ho fanomezana fototra mom­ba ny «Amponga sy dihy gasy» ho an’ny ankizy 7 ka hatramin’ny 11 taona. Hetsika tafiditra ao anatin’ny Rallye Moi(s) Théâtre 2023 karakarain’ny Compagnie Miangaly. Ireo mpitendry sy mpiangaly dihin-drazana no hiantsoroka ny fampiofanana amin’io fizarana voalohany io.
Tapany faharoa, hizara ny traikefa ananany ho an’ireto tanora ireto momba ny fahalalana fototra tokony ananana momba ny teatra i Nathalie Rason, mpanao hatsikana ao anatin’ny Compagnie Mian­galy Théâtre. Fizarana fahatelo, hanomboka amin’ny 11 ora antoandro, holalaovina eny an-tsehatra ny «L’enfant et le tambour de nuit», sanganasan’i Jean Luc Raharima­nana, narindran’i Fela Raza­fiarison ho azo lalaovina eny an-tsehatra ary ravahin’ny Tina Rakotondrasoa amin’ny feon-javamaneno.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: