Volley-JIOI 2023 : hanampy ny ekipa malagasy i Melissa sy i Ricco ary i Ghislai

Fantatra ireo mpilalao hiatrika ny fampivondronana, hiomana amin’ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasi­kara, ho an’ny taranja Volley-ball. Mpilalao 20 lahy sy 20 vavy no hifantenana izay handrafitra ny ekipa nasionaly, ho an’ny volley anaty efitrano. 11 hahy sy 8 vavy kosa ho an’ny Beach Volley. Araka ny hita ao anatin’ny lisitra, nantsoina hanampy ny ekipa malagasy, Rambony Melissa (OPP), mpilalao ao amin’ny Anse Royale Seychelles sy Razafin­dravoara Jean Ricco (S), mpilalao ao amin’ny New Boys Seychelles ary Rivoharilala Ghislain (OPP/ARR), avy ao amin’ny St LEU La Réunion . Malagasy mpilalao mila ravinahitra any ivelany izy 3 mianadahy ireo. Hahitana mpilalao avy amin’ny GNVB miisa 14 mirahalahy, Cosfa 1 ary ASI miisa 3 ao anatin’ity lisitra nivoaka ity, eo amin’ny sokajy lehilahy. Stef’Auto miisa 6, GNVB miisa 9, ASI miisa 2 ary BI’AS sy MVBC iray avy kosa, eo amin’ny sokajy vehivavy. Mitarika ny fanazarana ny lehilahy mpilalao, Randriamparany Eric Franco. Manampy azy kosa, i Serge Eric Saramba sy Rabe­narivo Eric Don Juan. Eo amin’ny vehivavy kosa, mpanazatra i Zafindalana Gildas ary manampy azy Randria­misa­saona Tiana sy Randria­ma­rosoa Tovo. Tsiahivina, ha­nom­boka ny 20 marsa izao hatramin’ny 30 jiona izao, eto Antananarivo sy any Toama­sina, ity fampivondronana ity.

Mi.Raz

Partager sur: