Nikononkonona fanafihana, ravan’ny zandary ka maty ny roa tamin’ireo jiolahy tao Ambohimiandra, ny alakamisy 16 marsa teo. Nikaon-doha tao anaty trano kely anatin’io tanàna io, tsikaritry ny fokonolona io fikambanan-jiolahy io. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny olona tsara sitrapo. Nidina ifotony ny zandary. Niparitaka nandositra ireo jiolahy. Vaky nitifitra ny mpitandro filaminana ireto farany ka raikitra ny sakoroka. Vokany, lavo i Betsy sy Solofobe, roa tamin’ireo jiolahy. Tafaporitsaka ireo namany hafa ka mitohy ny fikarohana.
Tsiferana R.