Tontosa tany Antsirabe, ny 21 janoary lasa teo ny fivoriamben’ny Federasiona malagasin’ny boxe française savate. Nahazo fankatoavana 100 isan-jato tamin’ireo ligy 9 ireo mpitantana ankehitriny. Nambaran’i Nakolo Jean Aimé, filohan’ny federasiona fa feno ny fandaharam-potoanan’ity haiady ity, ho an’ny taona 2023. Tanjona goavana ny fiatrehana ireo fifaninanana iraisam-pirenena, ka laharam-pahamehana amin’izany ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy tanora hatao any Slovenie, ny 21-25 jona ho avy izao ary ny an’ny “senior”, tanterahina any Croatie, ny 19-23 jolay. Ezahan’ny federasiona malagasy ny hamerina indray ny anaram-boninahitra eto Madagasikara. Eo koa ny fandehanana any Cameroun, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny 26 – 30 jolay.
Ho fanomanana izany, hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tanterahina any Toliara, ny 24 – 26 marsa ho avy izao, hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ho an’ireo fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, ireo. Hiatrika izany, ireo ligim-paritra 9 amin’ireo 12. Mpikatroka miisa 150 mianadahy, no hiady izay ho lohany
amin’io. Mangataka ny fanampian’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny fitondrana ny federasiona, hahazoana miatrika ireo fifaninanana ireo. Ankoatra izay, vaovao iray lehibe tsara sy nisongadina ho an’i Madagasikara ny fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena izay voalohany ny nisian’izany.
Torcelin