“Dis-moi dix mots” : manomboka anio ny fampirantina

Misokatra manomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 25 Avrily 2023 ny fampirantina “Dis-moi dix mots”. Eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, AFT Andavamamba no anaovana ny hetsika. Fampirantina manana tanjona fitaizana ny tanora, indrindra ny sainy. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny teny frantsay. Mpikara­kara ny Aft Andavamamba sy ny masoivohan’i Frantsa eto Madagasikara, ary ny Organi­sation Internationale de la Francophonie.
Efa nisy an-taona maro ny “Dis-moi dix mots”. Nahazo tombony tamin’izany ny tanora sy ny ankizy maro. Toy ny mahazatra, votoatin’ny fampirantina ny voambolana folo : Année-lumière, avant jour, dare-dare, déjà vu, hivernage, lambiner, plus-que-parfait, rythmer, synchrone, tic-tac. Manodidina azy ireo ny zavatra rehetra miranty eny amin’ny Aft Andavamamba mandritra ny 5 andro.
Tafiditra ao anatin’ny herinandron’ny teny frantsay sy ny firenena miteny frantsay ity hetsika ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: